Mpianatry ny Ecole Normale Supérieure" (ENS) manerana ny Nosy miisa 460 mianadahy manana ny mari-pahaizana MAPEN sy LAPEN, no notolorana tamin'ny fomba ofisialy ny taratasy fifanarahana arak'asa omaly Alarobia 22 Aprily teto Antananarivo.Niarahaba sy nankahery ireo mpampianatra vao hiroso amin'ny asa fanabeazana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, RAJAONARISON Sendra Nirina. Notsindriany manokana ny maha-asa masina ny fanabeazana, ary namporisihiny izy ireo hanaja sy hanatanteraka amim-pahamatorana ny andraikitra sy ny toerana nanendrena azy ireo.Maro ny ezaka hataon'ny Fitondram-panjakana, indrindra ho an'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, izay andry hiankinan'ny hoavin'ny Firenena. "Saropady ny asa fanabeazana, ary mitaky fanavaozana hatrany, ianareo no iankinan'ny kalitaon'ny fampianarana" hoy hatrany Ramatoa Minisitra. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan'ireo mpianatra ireo izany taratasy fifanarahana arak'asa izany.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana fifanarahana arak'asa ho an'ireo mpianatra !