airtel

Fampianarana

14-déc-2021

Fampianarana

Efitrano sekoly Fa terena lokoina volombosary avokoa ve ?

Sample post image

Notokanana omaly ny CEG ao Maharidaza, Kaominina Miantsoarivo anatin'ny distrikan’ Arivonimamo . Sekoly izay nanara-dia ny lokon-tsekoly mazala amin’izao fitondran’ny TGV MAPAR IRD izao.

14-déc-2021


Tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny depiote Rodin Rakotomanjato no nanapotsipotserany ny momba ny fanamboarana azy ity.
Tetibola 26 tapitrisa ariary voasoaratra anaty CLD no nanatanterahana azy, ny asa natao teto anefa dia fanavaozana ny sekoly efa nisy teo aloha " tsy mifanaraka amin'ny tetibidiny ny asa vita" hoy izy. Efa sekoly naorin'ny ray aman-dRenin'ny mpianatra hatrin'ny ela izy ity, in-telo aho no nitondra simenitra, efa vita fanitso tsara izy ity, nanampy ny ray aman-dReny tamin'ny fananganana azy ity aho hoy ny depiote Rodin. Ny mahagaga anefa dia nolokoin'ny fitondrana volomboasary ny sekoly. Tsy voahaja mihitsy ny tsy fiandaniana politika amin'ny fitantanam-panjakana hoy ny depiote Rodin Rakotomanjato kanefa voasoratra mazava anaty lalampanorenana izany. Ny fokonolona no nifofotra nanao izany hatry ny ela kanefa dia toa nofafana ny tantara. Zary miloko volomboasary avokoa moa amin’izao fotoana izay fotodrafitrasa mitsangana isam-paritra , izay azo raisina ho efa propagandy mialohan’ny fotoana, eo ihany koa ny fampifangaroana ny raharaham-pirenena amin’ny fiainan’antoko, ary ny tena zava-doza dia ilay tsy fanana ny etika sy soatoavina amin’ny zavatra atao.Misy ny loko mety sy tsy mety amin’ny fampianarana fa tsy hoe lokolokoina araka izay tiana.Tahaka izany ihany koa ny eo amin’ny resaka fitsaboana, fitsarana, fitandroana ny filaminana, famokarana…fandinihana lalina no natao vao nosafidiana ireny loko hita isan-tsehatra ireny fa tsy hoe natao antsapaka tsy akory.

Legende : Ny CEG Maharidaza, Kaominina Miantsoarivo- Arivonimamo

RTT
 

Dans la même rubrique