airtel

Fampianarana

06-avril-2022

Fampianarana

ENAM Androhibe Nosokafana omaly ny taom-pianarana vaovao

Sample post image

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ny taom-pianarana,ho an’ny fampiofanana fototra (Formation initiale) andiany faha-29,

06-avril-2022

ao anivon’ny sekoly mpanofana ho mpiasam-panjakana ambony ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) eny Androhibe. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana, ary ny Lalàna Sosialy, Ramatoa Ranampy Gisèle sy ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta sady Filohan’ny filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny ENAM Andriamatoa Rakotoarisoa Miadantsata Indriamanga. Nambaran’izy ireo nandritra ny fandraisam-pitenenana natao fa tena ilain’ny firenena ny fanofanana mpiasam-panjakana ambony tahaka izao, indrindra fa ho an’ireo tanora. Haharitra 24 volana ny fiofanan'ireo mpiofana vaovao izay miisa 100 ireo. Mitsinjara ho toy izao izy ireo. Administrateurs Civil (AC) ny 25 isa. Inspecteurs du Travail, et des Lois Sociales (ITLS) ny 50 isa raha Administrateurs des Services Financiers (ASF) kosa 25 ambiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona hiatrika ny fianarany ireo mpianatra vaovao
 

Dans la même rubrique