airtel

Fampianarana

11-mai-2023

Fampianarana

EPP Ambodivondava Hahazo tohana avy amin’ny Association Zazakely

Sample post image

Nivoaka tany ivelany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy niaraka tamin’ireo delegasiona ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

11-mai-2023

Tsy nitondra tanam-polo izy nandritra ny diany fa nijery manokana izay hahasoa ny vahoakan’Alasora. Ankoatra ny resaka fandriampahalemana dia nomeny sehatra manokana koa ny lafin’ny fanabeazana izay efa tena nahafantarana azy ireo. Fantatra tamin’izany ary hahazo tohana ny EPP Ambodivondava amin’ny alalan’ny Association Zazakely ao amin’ny kaominina Grande-motte (Hérault - France) ao La Frantsa. Ankoatra ny seza, dabilio, ny boky, solosaina hohampiasain’ny mpampianatra…dia mety hisy ihany koa ny fifanakalozana mpampianatra eo amin’ny EPP Ambodivondava sy ny EPP ao Grande motte izay tanjona lavitr’ezaka raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tananan’Alasora. Hisy ihany koa moa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo polisy monisipaly ao Alasora sy ny polisy kaominaly any Grande motte. Nisy ny fihaonan’ny Ben’ny tanana roa tonta nanapahana izany izay hialohan’ny fanolorana fanamiana ho an’ireo polisy monisipaly ao Alasora ato ho ato.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Ben’ny tanana roa tonta
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap