airtel

Fampianarana

04-mars-2021

Fampianarana

EPP Ambohijafy I sy II Nahazo efitrano fianarana vaovao

Sample post image

Tontosa omaly alarobia 03 martsa ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao teny amin’ny EPP Ambohijafy I sy ny EPP Ambohijafy II,

04-mars-2021

 

samy ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Ahitana efitrano miisa 6 ny an’ny EPP Ambohijafy II raha miisa 7 kosa ho an’ny EPP Ambohijafy I miaraka amin'ny trano fivoahana. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan'ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Madagascar Developpement Fund, vatsian’ireo fianakaviana any ivelany vola. Tonga nanotrona izany fotoana izany ny senatera Ramanambitana Richard sy ny tale jeneraly misahana ny pedagojia eo anivon’ny minisitera Raoniherijaona Andriamiakatsilavo ary ireo olo- manan-kaja maro sivily sy miaramila. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap