Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tonga nanolotra izany tamim-pomba ofisialy teny an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano Alain Ratsimbazafy, izay mety mbola ho kandida ihany raha izao fihetsiketsehany izao. Amiko hoy izy mendrika ny hisitraka fanohanana sy fanampiana ny zaza Malagasy satria izy ireo tokoa no hoavin'ny firenena ka izany indrindra no nanosika ahy hikatsaka mandrakariva izay hanasoavana sy hanampiana azy ireo ara-pitaovana. Izany no tontosa moa dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina sy ekipany ary koa ny ireo talen-tsekoly sy mpanabe ao amin’ny ZAP Ampitatafika. Tsiahivina moa fa efa notoloran’ity solombavambahoaka ity dabilio tahaka izao ihany kkoa ny lisea "Rafotsy Rabodo", izay hany lisea tokana ao anatin’ny Kaominina Antanetikely-Ambohijoky, mbola distrikan’Atsimondrano ihany.
Pati
Legende : Faly aoka izany ireto ankizy madinika ireto nandray ny dabilio vaovao avy amin’Ingahy solombavambahoaka !
Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena
Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga