airtel

Fampianarana

29-avril-2025

EPP ANKADIVATO

Nahazo dabilio 48, notolorana loka ireo mpianatra mendrika

Sample post image

Nahazo dabilio miisa 48 ny sekoly ambaratonga fototra etsy Ankadivato Atsimondrano.

29-avril-2025

Nivoitra izany omaly Alatsinainy 28 Aprily nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny boky. Nanokatra izany tamim-pomba ofisialy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle.Hetsika maro samihafa no nanamarihana ny fankalazana toy ny famaranana ny fifaninanana vaky boky nanomezana lanja ireo mpianatra, sy ny fifanakalozana teo amin'ireo mpianatra sy Rtoa Minisitra.Notokanana nandritra izany ihany koa ny toeram-pamakiam-boky izay vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny "Lions club" Antananarivo Iarivo izay manamarika ny faha-30 taona nijoroany sy ny fanomezana maro samihafa avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka, ho fampandrosoana ny vaky boky sy ny fanabeazana. Ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fitaovam-pampianarana (DDIS) no niandraikitra izany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafatafa nataon-dRamatoa Ministra sy ireo mpianatra!

 

Dans la même rubrique