airtel

Fampianarana

01-déc-2022

Fampianarana

EPP eto Antananarivo renivohitra Hohampianarina teny frantsay maimaimpoana ny kilasy fahadimy

Sample post image

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly Alarobia 30 novambra 2022 tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fampianarana teny frantsay ivelan’ny ora fianarana,

01-déc-2022

maimaim-poana, ho an’ny kilasy fahadimy eny anivon’ireo « EPP » eto Antananarivo Renivohitra. narahina fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Oniversite tsy miankina ISCAM izany hahafahana manatanteraka ny asa. Anisan'ny tena fototra ny frantsay ary ilaina tokoa hahafahan’ny ankizy manamora ny fahazoana ireo taranja hafa. EPP miisa 29, izany hoe kilasy 44 eo ho eo no hisitraka izany voalohany amin’izao fampianarana izao. Tanjona kosa ny hahazoan'ireo kilasy miisa 102 amin'ireo « EPP» 94 eto Antananarivo tombony amin’ity tetikasa ity. Isaky ny Alarobia hariva moa no manatanterahana ity fampianarana ity ny roa tonta ka haharitra 16 herinandro izany. Ireo mpianatra mpilatsaka an-tsitrapo miisa 85 sy mpampianatra mpitan-tsoroka 2 avy ao amin’ny ISCAM ary zokiolona miisa 12 avy ao amin’ny FIZOMA (FIkambanan’ny ZOkiolona eto MAdagasikara) no hiara-hisalahy amin'ny fanatontosana izao tetikasa izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia omaly
 

Dans la même rubrique