airtel

Fampianarana

25-mai-2022

Fampianarana

EPP hafahafa Tsy maintsy mitondra kitay ny mpianatra vao afaka mianatra

Sample post image

Hafakely ny fanaporetana mahazo ireo mpianatry ny EPP ao Befatotra, distrikan’i Sambava. Tsy mahazo mianatra toy ny mahazatra mantsy ny mpianatra ao amin’ny taona faharoa raha tsy mitondra kitay hazomainty ho an-dRamose

25-mai-2022

 mpampianatra hoy ny vaovao. Mahazo kapoka mafy ireo mpianatra izay tsy mitondra izany hany ka tsy vitsy ireo miferinaina ka velon-taraina tamin-dRay aman-dReniny. Saro-tadiavina mantsy ny kitay hazomainty any an-toerana. Ankoatra ny fahafahana mampiasa azy ireny handrahoana sakafo dia azo hampiasaina amin’ny zavatra hafa ihany koa ny hazo mainty. Tsy maintsy manokana fotoana mba hitadiavana io hazo mainty io araka izany ny mpianatra mba hahafahany miatrika amim-pitoniana ny fampianarana rehefa any an-tsekoly. Efa voafaritra mihitsy moa ny fotoana tsy maintsy hitondrana io kitay hazomainty io ho an-dRamose dia ny andron’ny alatsinainy, alarobia ary zoma izany. Efa mahalala tsara ity tranga ity moa ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianatra any an-toerana koa andrasan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra fatratra ny fandraisany andraikitra. Marihina moa fa herisetra hatao amin’ny ankizy mpianatra izany ary azo henjehina araka ny lalana ilay mampihatra azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Voasazy mitondra kitay mainty tahaka izao avokoa ny mpianatra rehetra
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap