Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Taorian’ny firodanan’ilay rindrimbe manakaiky ity sekoly ity mantsy dia rava vokatr’izany ny efitrano fianarana iray raha nisy potika ihany koa ny dabilio. Lasa hampiasain’ny ankizy miisa 4 ny dabilio iray vokatr’izany raha tokony ho an’ny ankizy miisa 2.Raha araka ny fanazavan’Atoa Mamiarilala, talen-tsekoly mantsy dia efa tafakatra 350 mahery indray ny isan’ireo mpianatra raisina an-tanana ao amin’izao fotoana izao raha 325 isa no zakan’ny foto-drafitrasa. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izy ireo araka izany mba hifanohana sy hifanome tanana aminy. Tsiahivina moa fa miisa 9 ireo tompon’andraikitra mampiodina ity EPP Mahatsinjo ao Alasora ity. Ny 8 amin’ireo no mpampianatra ka ny iray no mbola karamain’ny Fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra na ny FRAM. Mikasika ilay latsak’emboka alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra entina handoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM sy hampandehanana ny raharaha eo anivon’ny sekoly moa dia fantatra fa 20.000 Ar isan-taona izany.
Pati
Legende : Anisan’ny tsy manadino ny EPP Mahatsinjo Alasora ny Fikambanana Porte Bonheur !