airtel

Fampianarana

01-mars-2021

Fampianarana

EPP Mahitsy Sosotra amin’ny ataon’ny tale ireo mpampianatra

Sample post image

“Tompoko! Noho ny toe-draharaha mivaivay misy eto amin’ny EPP Mahitsy dia nanapa-kevitra

01-mars-2021

 

 

 izahay fa tsy hiasa eto intsony, mpampianatra FRAM sy “fonctionnaire” rehetra, raha tsy miala haingana dia haingana, ato ny talen-tsekoly mpamotika ny fiarahamoninay mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra.” Io no fanambarana fohy voalaza ho nataon’ireo solontenan’ny mpampianatra hiantohan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpiasa eo anivon’ity EPP ity tao anaty tambazotran-tserasera iray. Fanambarana izay nahataitra ny maro ihany ary naha velom-panontaniana hoe fa inona no zava-misy ao amin’ity sekoly miankina amin’ny fanjakana ity ? Heverina fa tsy zavatra bitika no mahatonga fandrahonana ny tsy hampianatra intsony toy izao, raha mitombona tokoa moa ity fitakiana iray ity.

 J. Mirija

Dans la même rubrique