airtel

Fampianarana

16-juil-2026

Fampianarana

EPP Mandrosoa kaominina Imerintsiatosika

Sample post image

Nahazo fotodrafitrasa vaovao hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana

16-juil-2026

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Voalohany (EPP) Mandrosoa, ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Tetikasa niarahan’ny Fondation AXIAN sy ny fikambanana KOZAMA nanatanteraka , tao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas,nanotrona ihany koa ireo manampahefana sy ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana. Efitrano fianarana telo sy trano fivoahana (bloc sanitaire) no naorina, ka hahafahan’ny mpianatra maherin’ny 520 mianatra ao anatin’ny tontolo azo antoka sy mendrika kokoa. Talohan’izay dia efitrano roa efa tonta no nisy tao amin’ny sekoly, ary voatery nampiasaina ho efitrano fianarana ihany koa ny fiangonana noho ny tsy fahampiana. Ankoatra ny fananganana fotodrafitrasa dia mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana ihany koa ny tetikasa. Mandritra ny telo taona, hanohana ny fanofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra sy talen-tsekoly ny KOZAMA. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana momba ny « pédagogie active », ny fanohanana ara-pedagojika ary ny fampiroboroboana ny fanabeazana eny amin’ny ambaratonga « préscolaire », mba hanomezana fototra mafy orina ho an’ny ankizy. Nambaran’i Mialisoa Andrianasolo, tale mpitantana ao amin’ny Fondation AXIAN, fa tsy ny fananganana sekoly ihany no tanjona, fa ny famoronana tontolo ahafahan’ny ankizy mitombo, mianatra ary miomana handray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina. Hatramin’ny nanombohan’ny fandaharanasa Sekoly Yas tamin’ny taona 2015 dia efa nahavitana fotodrafitrasa miisa 240 manerana an’i Madagasikara, ka ankizy maherin’ny 61.000 no efa nisitraka izany. Ny tao amin’ny faritra Itasy ohatra dia ankizy maherin’ny 2.700 no voakasiky ny tetikasa. Nandritra io lanonana io ihany koa no nametrahana ny vatofototry ny kianja fanatanjahantena MHetsika MVola, izay natao hanohanana ny fivelaran’ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia manamafy indray ny Fondation AXIAN sy ny KOZAMA fa ny fanatsarana ny fanabeazana dia tsy miankina amin’ny fananganana fotodrafitrasa ihany, fa mitaky ihany koa ny fanohanana ireo mpanabe sy ny fiaraha-miasan’ny vondrom-piarahamonina. Izany no heverina ho antoky ny fanomezana fanabeazana manara-penitra sy ny fanomanana taranaka vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ny Fondation AXIAN moa dia miasa any amin’ny firenena 21 manerana an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, ary mifantoka amin’ny sehatra dimy lehibe, dia ny fifandraisan-davitra, ny tolotra ara-bola, ny angovo, ny fananan-tany sy trano ary ny banky nomerika sy fintech. Miaraka amin’ny mpiasa maherin’ny 9.200, ny vondrona dia mikendry ny hampandroso ny toekarena sy ny fiarahamonina amin’ireo firenena iasany, amin’ny alalan’ny vahaolana maharitra. Anisan’ireo nanao sonia ny Global Compact an’ny Firenena Mikambana ihany koa ny AXIAN, ka mampiditra ireo foto-kevitra folo momba ny andraikitra ara-tsosialy sy ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny paikadiny sy ny asany.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap