Tonga nankasitraka azy ireo ny orinasam-pifandraisana “Airtel Madagascar” notarihin’ny tale jeneraliny Eddy Kapudu ny faran’ny herinandro teo. Kitapo efa misy fitaovam-pianarana no azon’ireo mpianatra tamin’izany, mpianatra nahazo ny laharana voalohany isan-kilasy. Ankoatra izay dia notolorana “tee-shirt” sy kahie fandraisana naoty ary finday efa misy “wifi” maimaimpoana mandritra ny taona iray ihany koa ireo mpampianatra miisa 10 nanampy ireo mpianatra ireo. Ho an’ny talen’ny EPP Namahora Morondava kosa dia solosaina iray efa misy “wifi” maimaimpoana mandritra ny 12 volana no azony. Izany no natao moa dia hahafahana mamporisika hatrany ireo mpianatra hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Raha toraka izany koa ireo mpampianatra sy ny talen-tsekoly. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fitsinjovana ny maha-olona sy fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana moa izao tanterahin’ny orinasam-pifandraisana Airtel izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ireo kitapo misy fitaovam-pianarana