airtel

Fampianarana

17-avril-2024

EPP SY CEG ANOSIBE

Nentanina momba ny ora fanariam-pako ny mpianatra

Sample post image

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

17-avril-2024

CMH), izay hataon’ny Filohan’ny Delegasiona Manokana ny Tanànan’Antananarivo Atoa Richard Ramanambitana sy ireo mpiara-miasa aminy. Omaly Talata 16 Aprily maraina teo dia teny amin'ny CEG sy EPP Anosibe no nanohizan’izy ireo izany hetsika izany. Nambaran'Andriamatoa PDS tamin’izany fa manomboka izao dia ho mpanatanteraka iraka ireo mpianatra. Ny votoatin'izany iraka izany dia tsy inona fa ny fampahafantarana ny andininy faha-14 ao anatin’ny CMH izay mamaritra ny ora fanariana fako. Manomboka amin’ny 04 ora hariva ka hatramin’ny 08 ora alina izany isan’andro. Toraka izany koa ny andininy faha-16 izay milaza fa ny fako ao an-trano ihany no azo hariana eny amin’ny dabam-pako fa tsy sanatria hanararaotra ny andro hariva akory ny sasany dia hanary maloto anaty sachet plastika mainty…. Toy ny efa natao teny amin'ireo sekoly hafa eto an-drenivohitra dia notolorana valisoa ihany koa ireo mpianatra sangany tamin’ny voka-panadinana roa volana voalohany tao amin’ireo CEG sy EPP ireo.
Pati
Legende : Ny PDS-n’Antananarivo notronin’ireo mpianatry ny EPP sy ny CEG eo Anosibe !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap