Fiantsoana ho an'ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea. Mpianatra miisa 9.000 isa no ho voakasik'izany manerana ireo boriborintany 6 mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny distrikan'Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra dia efa tokony tamin'ny iray volana no natomboka izany. Ankehitriny anefa herinandro sisa no hananan'izy ireo vao hatomboka ny asa antony mety hisian'ny fahatarana. Hanomboka ny 08 ka hatramin'ny 19 Jona ho avy izao mantsy no hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena. Miantso ny mpiadina sy ny sekoly mba hifanome tanana araka izany ireo tompon'andraikitra hisorohana ny fikorontanan-tsaina. Nomarihin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny foibem-panadinana Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely moa fa manana olana hafa ihany koa izy ireo toy ny fahataran'ny vacation mandavan-taona ka tokony hojeren'ny Fitondram-panjakana. Ekena hoy izy ireo fa asa fanabeazana no hatao saingy tokony hisy fifampitsinjovana ihany koa mba hampizotra tsara izany.
Pati
Légende : Efa vonona amin'ny adina tahaka izao ny ankamaroan'ireo mpandray anjara !