airtel

Fampianarana

12-avril-2024

Faha 100 taonan’ny Lycée Jules Ferry

Hihaona eny amin’ny Espace Rose ireo mpianatra nitety vanim-potoana

Sample post image

Hihaona eny amin’ny Espace rose By Pass ireo mpianatra nitety vanim-potoana teo anivon’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra.

12-avril-2024

Io indray no hanohizana ny fankalazana ny faha 100 taonan’ity lisea miankina amin’ny fanjakana nanana ny lazany eto Antananarivo renivohitra ity. Afaka hifampitaona amin’ity korana ity avokoa amin’io fotoana io, raha ny fanazavan’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana, Tsiory Rabetokontany, ireo mpianatra tranainy indray sy ireo taty aoriana hatramin’ireo mbola beazina eo anivon’ny lisea hatramin’izao. Tsy ireo mpianatra ihany anefa fa na ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra efa nandalo sy mbola manana zanana mandranto fianarana ao ihany koa, izay hasaina mavitrika ho tonga sy handray anjara, hoy hatrany ny tenany. Misy moa ny pejy manokana anaty tambazotran-tserasera toy ny Facebook ahafahana mamantatra ny andinindininy mikasika ity hetsika ity sy ny laharan-tariby mifandraika amin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique