airtel

Fampianarana

19-janv-2023

Fampianarana

Faha 5 taonan’ny Oniversite Ravelojaona Hanome seho sy hetsika ara-koltoraly ireo mpianatra

Sample post image

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 5 taona nitsanganan’ny oniversity Ravelojaona dia hisy ny hetsika maro ho tontosaina ao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tapak’andro marainan’ity anio ity.

19-janv-2023

Hiavaka, noho izany, ny fidirana ofisialy na “rentrée solennelle” eo anivon’ity oniversite an’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM ity, hoy ny rektora, ny mpitandrina Dr Ratsimandisa Zo. Ankoatran’ireo hetsika ataon’ny mpianatra dia hanafana ny fotoana koa, hoy izy, ireo antoko mpihira hafa toa an’I Ampifitia sy Koraita. Ankoatran’ny fampiofanana akademika dia misy eo anivon’ny oniversite koa tsinona ny fanofanana ivelan’izay na ilay antsoina hoe “para universitaire” toy ny fihirana, ny dihy, ny teatra. Samy mba hanome seho sy hetsika ara-koltoraly amin’io ireo mpianatra. Ho tonga ao koa ny oniversite any amin’ny faritra satria tsy eto ihany ny Oniversite Ravelojaona. Misy avy any Moramanga, Ambatolampy, Arivonimamo, Antsirabe. Ny fanompoam-pivavahana hisaorana an’Andriamanitra no hamaranana azy rehefa tong any amin’ny 11 ora, hoy hatrany ny fanazavana, ary ny fotoana rehetra dia anasana ny rehetra.
J. Mirija
Legende: Ny rektora, Dr Ratsimandisa Zo
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap