airtel

Fampianarana

16-déc-2021

Fampianarana

Faha 60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa Notolorana marim-pankasitrahana ireo nahavita be

Sample post image

Nifarana omaly teny Ankatso ny 3 andro fanamarihana amin’ny fomba siantifika ny faha 60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

16-déc-2021

 Noho ny fisian’ny valanaretina moa dia somary nenjikenjehana ny fotoana mikasika ity fankalazana voatery natomboka ny volana septambra teo ity, raha ny fanazavana, ary iny omaly iny, araka izany no ivony ka nanomezana mari-pankasitrahana ireo nahavita be teo anivon’ny fakiolte. Ny 28 janoary 2022 izao kosa no famaranana ny fankalazana. Isan’ny noresahana ny andraikitry ny siansa anatin’ny fampandrosoam-pirenena toy ny lafiny fanabeazana sy ny fampiofanana ho mpikaroka fa eo koa ny fampiofanana ho mpandraharaha. Nisy noho izany, raha ny fanazavan’ny sojabe lefitra sady tompondraikitra siantifikan’ny fankalazana, Pr Hasina Nirina Andrianalihasina,ny fifaninanana tetikasa mifandraika amin’izany ho an’ireo mpianatra mpikaroka nisafidy tsy hanohy fianarana intsony eo anivon’ny fakiolte ka izay 20 isa mendrika indrindra dia hahazo izay fiofanana izay sy famatsiam-bola hiaingany amin’izay tetikasany izay.
J. Mirija
Legende: Teny Ankatso omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap