airtel

Fampianarana

05-déc-2022

Fampianarana

Fahafehezana teny Anglisy “Fahafaha-mitady lalana handraharaha”

Sample post image

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny ESCA Antanimena ny sabotsy teo ny andiany faha 4 mitondra ny anarana hoe “Shine” na fahazavana tamin’ireo nianatra teny anglisy ombam-pizahantany teo anivon’ny sekoly

05-déc-2022

manokana momba izany eto Madagasikara na ESM, izay etsy Antanimena ihany. Tsara ny manamarika, hoy ireo mpanabe, fa ankoatra izay dia mamolavola tanora hiatrika ho avy fa tsy hanome tsiny foana ny tomponandraikitra isan’ambaratongany izahay. Miainga amina fanovana toetsaina izany. 43 mianaka ireo navoaka ny sabotsy teo. Isan’ny fanilon’ny fanovana toetsaina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sampan-draharaha hisy azy izy ireo, noho izany, manomboka eto amin’ny alalan’ny fahafehezana ihany koa izay teny anglisy izay ary manana fahafaha-mitady lalana handraharaha fa tsy voatery hijanona amina asa iray. Hahatongavana amin’izany ny fampianarana azy ho tia mamaky boky, ny fifaneraserana amin’olona manana toetsaina miabo satria isan’ny olan’ny tanora amin’izao koa ny tsy fahaizana mifidy namana ka manjary tsy mahita lalan-kombana. Mila manana vina satria ny tanora ankehitriny lasa tsy tia mametraka tanjona eo amin’ny fiainany. Tsy voatery ny ho afaka 5 na 10 taona fa na ny anio aza mila fantatra hoe inona no tanjoko anio? Mpianatra tato miisa 5 no lasa mpandraharaha ny taona 2021 satria nazava ny tanjon’izy ireo. Anjaran’ny fanjakana ny mijery izany olana ara-ketra izany fa raha izany no ataonao sakana dia tsy afaka ny handroso mihitsy ianao. Mila avadika ho tombony ny olana misy. Izay ilay hoe mijery miabo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Ny andiany “Shine” sy ireo mpampianatra azy ireo
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap