tia tanindrazana

Parution du Lundi, 20 Septembre 2021

airtel

Fampianarana

Famahana ny olan’ny oniversite Efa miezaka ny fitondrana, hoy ny minisitra

Nitondra fanazavana mahakasika lafin-javatra miisa 6 lehibe anaty olan’ny Oniversitem-panjakana omaly ny Pr Elia Béatrice Assoumacou,

17-juin-2021

Sample post image

 

 

 Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Mikasika ny vatsim-pianarana dia efa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana manerana ny Nosy ny Ministera, izany hoe ny telo volana (fahadimy, fahaenina, fahafito) no haloa mialohan’ny fetim-pirenena, hoy ny fanazavana. Ho an’ireo tara na ny « retardataires », izay mbola tsy nandray mihitsy noho ny fihibohana sy ny antony maro samihafa, dia handray izany miaraka amin’ny fampitaovana izy ireo. Ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy kosa dia hampifanarahana amin’ny famitana ny taom-pianarana. Ny an’ny mpandraharaha na PAT moa, ho an’ny fandoavana ny karamany eny anivon’ny Oniversite dia manao ezaka hatrany koa ny fitondram-panjakana ary handefa ny karama mialohan’ny fetim-pirenena. Efa eo am-pandinihana koa ny mikasika ny « indemnités de technicité » miaraka amin’ny Ministera hafa voakasik’izany. Ny « habilitation » dia ny CNH na « Commission Nationale d’Habilitation » no mandinika ny atontan-taratasy fangatahana fazahoan-dalana hanokatra « mention » na « filière » vaovao izay ahafahan’ny toeram-pampianarana na sampam-pampianarana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mizara mari-pahaizana rehefa tapitra ny fiofanan’ny mpianatra. Teo amin’ny 300 isa eo ny dosie nodinihin’ny kaomisionina ny 18 janoary 2021. Betsaka no efa nisitraka izany « habilitation » izany ary anisany ny sampam-piofanana maro ao amin’ny Oniversiten’i Toliara. Eo am-pizarana ny « arrêtés d’habilitation » ny Ministera amin’izao fotoana izao. Ny dosie miisa 200 ambiny kosa dia hanaovana kaomisionina vaovao amin’ity taona ity. Raha in-dray mandeha isan-taona no mivory ny CNH, dia hatao indroa izany amin’ity. Ny « équivalence de diplômes», mba hahafan’ireo te handray anjara amin’ny fifaninanana hiditra mpiasam-panjakana dia nanao fangatahana faobe teny amin’ny Ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa mba hanome ny « équivalence » ho an’ny Master 1. Efa miroso ao anatin’ny fikarakarana izany ny Ministera roa tonta ankehitriny ary miandry ny didim-panjakana mifanaraka. Ny resaka « digitalisation » izay natomboka tamin’ity taona ity dia mbola betsaka ny dingana arahana sy hotohizana, tafiditra ao anatin’izany ny fizarana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpandraharaha ary ny an’ny mpampianatra. Amin’ny faran’ity volana jona ity no hanomboka ny fizarana ny « carte Visa » handraisan’ny mpianatra ny vatsim-pianarana. Maro ny mpiara-miombon’antoka amin’ity tetik’asa ity toy ny Paositra Malagasy sy Numerit. Mahakasika ny « Heures complémentaires » ho an’ny taona 2017-2018 izay tsy mbola voaloa dia efa nandefa ny 75% ho an’ny Oniversite rehetra sy 75% ho an’ny « vacations » ny Ministera, ankoatra ny an’Antsiranana izay mbola an-dalam-pikarakarana ankehitriny. Ny an’ny Oniversiten’i Toamasina kosa dia 75% ny « Heures complémentaires » no efa lasa ary 25% ny « vacations ». Mikarakara ihany koa ny 25% ambin’ny HC sy ny « vacations » 50 % raha mbola niandry ny atontan-taratasy fanamarinana teo. Ny 25% ambiny dia efa an-dalam-pikarakarana ihany koa, hoy hatrany ny Mesupres. Voatery hiandry fitokonana foana ve izany vao afaka mamaha olana ?

 

Dans la même rubrique

Voir plus