airtel

Fampianarana

08-juil-2021

Fampianarana

Famotehana ny oniversitem-panjakana Nakatona ny kaonty amin’ny bankin’ny oniversite

Sample post image

Betsaka ny tsy fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra mikasika ny oniversite eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohan’ny Seces sampana Antananarivo omaly.

08-juil-2021

Nakaton’ny banky BNI ny kaonty amin’ny bankin’ny “Etablissement d’enseignement supérieur” marobe. Isany ny an’ny oniversiten’Antananarivo. Sady tsy ampy no tara fahatongavana ny famatsiana na “subvention” avy amin’ny fanjakana. Ireo “source propre” na loharanom-bola manokan’ny oniversite any amin’ny banky ireo no sisa mba mampiodina ny oniversite miankina amin’ny fanjakana rehetra, hoy ny fanazavana. Sangy mihoatra ny loha no sady famotehana ny anjerimanontolom-panjakana ny fanakatonana an’io. Fantatray fa misy namana mety manana oniversite mihitsy ireo mpitondra ambony ireo ka potehina angamba ny oniversitem-panjakana mba ahafahana misintona mpianatra miroso mianatra amin’ireny oniversite tsy miankina ireny. Aleo mba tsinjovina ny zana-bahoaka fa tsy manambola akory ny olona rehetra ahafahana mamonjy ireny oniversite tsy miankina ireny. Betsaka ny antontan-taratasy tonga any amin’ny fiadidiana ny primatiora izay mitsatoka any ary tsy mety mivoaka hatramin’izao. Misy volavolana didim-pitondrana nangatahana efa ho 2 volana sy tapany izay fa hatramin’izao mbola tsy nivoaka. Manainga ny fitondram-panjakana izahay fa tsy tokony ho sakana hamoahana izany ny hamehana ara-pahasalamana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap