airtel

Fampianarana

25-nov-2022

Fampianarana

Fampandrosoana ny firenena Namoaka mpianatra miisa 228 ny ISM Advancea

Sample post image

Mpianatra miisa 228 mianadahy nandrato fianarana tetsy amin’ny Institut universitaire Polytechnique de Madagascar na ISM Advancea Ambatonakanga no navoaka tamin’ny fomba ofisialy rehefa avy nianatra 2 hatramin’ny 5 taona

25-nov-2022

taorian’ny nahazoana ny diplaoma bakalorea, hoy ny fampitam-baovaon’ity sekoly ambony ity omaly. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana miisa 4 izy ireo dia ny «gestion», «droit», «informatique» ary «tourisme». Ny 109 tamin’izy ireo dia nisalotra ny «Diplôme de Technicien Supérieur» na DTS, ny 80 «Licence» ary 39 Master I sy II. Samy ankatoavin’ny fanjakana avokoa ireo. Mandresy no anaran’ity andiany nivoaka ity ka ny mpianatra ihany no nisafidy izany anarana izany satria na dia teo aza ny zava-tsarotra nolalovana dia tontosa soamantsara ihany ny fianarana. Tsy tanora manana diplaoma fotsiny ireto andiany “Mandresy” ireto fa tanora vanona sy vonona hitondra ny anjara birikin’izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny firenena satria izany no tarigetran’ny sekoly ambony nivoahany. Sekoly ambony voalohany eto Madagasikara mikambana feno ao anatin’ny «Fédération européenne des écoles» na FEDE izay manome azy ny fahefana feno hamoaka diplaoma iraisampirenena ho an’ireo mpianatra ao aminy. Noho ny fanatsapanay ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fikarakarana ny taratasy mivoaka any ivelany sy mba ho fanomezana fampianarana mitovy lanja amin’ny any ivelany satria manaraka fandaharam-pianarana vahiny sy ireo bokin’andraikitra mifandraika amin’izany no antony nahatonga anay hiaraka hiasa amin’ny FEDE”. Manoloana izao fiakaran’ny vidim-piainana izao dia tsy nampiakatra ny saram-pianarany ity sekoly ity mba hitsinjovana ny taranaka malagasy. Mbola misokatra hatramin’ny 8 desambre 2022 izao moa ny fisoratana anarana ho an’ireo ankizy izay mbola te hiditra ato aminay, hoy hatrany ny mpitantana ity sekoly ambony ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap