airtel

Fampianarana

05-juil-2022

Fampianarana

Fampianarana ambony Hampiditra mpampianatra sy mpandraharaha 200

Sample post image

Tratry ny kiana samihafa amin’izao fotoana izao ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ka misy mihitsy ny milaza fa tsy miady ho an’ny fanatsarana an’ny oniversite ny Minisitra ankehitriny.

05-juil-2022

Isan’ny nanao antso fanairana eo anatrehan’ny fahavitsian’isa ny mpampianatra mpikaroka. Ankehitriny, voalaza fa 200 ireo “postes budgétaires” na toerana arak’asa ho an’ny mpampianatra sy mpandraharaha vaovao no ho azo, raha toa ka tsy dia nahitana izany firy tamin’ny andron’ireo minisitra to aloha. Efa nahazo fankatoavana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022. Miisa 571 no voalaza fa « postes budgétaires” nangatahana efa nodinihiana ny ela, efa voasoratra tao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFI 2022, ary izay no filàna ahafahana miasa tsara indrindra eo anatrehan’ny fisokafan’ireo oniversitem-paritra. Tsy miankina amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony samirery anefa io, fa isan’ny tompon’ny fanapahan-kevitra ihany koa ny Minisiteran’ny toekarena izay mikirakira ny ara-bola, ny solombavambahoaka izay mandinika sy mandany ny tetibolam-panjakana,... Nandritra ny fihaonana teo amin’ny Governemanta sy ny Solombavabahoaka farany teo, ho an'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa dia napetraka ho tanjona ny fananganana oniversite maro izay manakaiky ny vahoaka, hoy ny minisitra Assoumacou Elia Béatricce. Vita tanteraka ny any Soavinandriana-Itasy, Fenoarivo Antsinanana, Analanjorofo vita tanteraka, miandry fampitaovana sisa. 80% ny fahavitan’ny asa ao Antsirabe 80%; Antalaha 60% no vita; Antsohihy , Tolagnaro, Ihosy 50% no vita. Mikasika ny trano fonenan'ny mpianatra narenina sy naorina mba ho fitsinjovana ireo mpianatra avy any lavitra: Antananarivo, Soavinandriana, Antsirabe, Analanjirofo, Morondava ary Antsiranana dia efa vita tanteraka fa fampitaovana sisa. Ny any Toliara, Fenoarivo Antsinana sy Mahajanga eo amin’ny 95%. Ny fananganana fotodrafitrasa hafa toy ny trano fidiovana ho an'ny mpianatra dia voalaza fa efa ampiasain’ireo izany amin'izao fotoana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap