airtel

Fampianarana

14-avril-2021

Fampianarana

Fampianarana ambony Maro ireo zavatra mbola tsy voalamina

Sample post image

Tsy mbola mivahana ny olan’ny Anjerimanontolo. Mikorontana tanteraka ny “digitalisation”

14-avril-2021

 

 

 

 na fanatobiana ara-nomerika ny antontam-baovao mikasika ny mpianatra sy ny mpampianatra (anarana sy laharana finday miverimberina, mpianatra mandray vatsim-pianarana tsy voasoratra ao amin’ny lisitra, mpianatra maro taraiky tamin’ny fanaovana digitalisation…). Nihazakazahana anefa tsy ampy ny mpiasa, ka tokony handeha tsikelikely isaky ny oniversite kanefa nanaiky be hafatany ny tetiandro nataon’ny tetik’asa PRODIGY, izay an’ny governemanta ny ministeran’ny fampianarana ambony amin’ny fanaovana ny « digitalisation », hoy ny fanamarihana. Nitohy lavareny ny fihetsiketsehan’ny mpianatra sy ny mpiasan’ny oniversite ary voakorontana tanteraka ny taom-pianarana 2019-2020. Voatsikera ny Minisitra, manohy ny asa fananganana oniversite any amin’ny faritra ny minisitera, kanefa misy ny mitaraina, fa tsy miady ho an’ny minisitera izy satria tsy mahazo “postes budgétaires” hampidirana mpampianatra ampy isa ho an’ireo oniversite vaovao. Tokony hanao kajy mazava anefa izy hanaporofoana fa aleo mampiditra mpampianatra maro mba hampidinana ny “heures complémentaires” an’ireo mpampianatra efa am-perin’asa ary voatery hampianatra ihany koa any amin’ny oniversite vaovao. Hahazoana vokatra tsara io fomba fiasa io : hihatsara ny kalitaon’ny fampianarana, hihena ny “heures complémentaires”, izay andoavan’ny fanjakana vola be, hahazo toerana ireo tanora maro aman-jatony miandry fampidirana azy ireo ho mpampianatra raikitra, hoy ny fanazavana ara-teknika. Ankoatra io, tena taraiky isan-taona ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Foibe nasionaly mikasika ny fikarohana (Centres nationaux de recherche), hany ka tsy mandray karama amam-bolana ny mpikaroka. Eo anatrehan’ny olana samihafa eny anivon’ny oniversite, tsy hita firy ny minisitra, ary Tale any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika aza no miditra an-tsehatra amin’ny lafiny fampianarana ambony, hoy ny fanamarihana.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap