airtel

Fampianarana

01-avril-2022

Fampianarana

Fampianarana ambony tsy miankina Nisokatra ny Université privée d’Ambohidratrimo

Sample post image

Misokatra ankehitriny sekoly ambony Université privée d’Ambohidratrimo ka làlam-piofanana na « mention » miisa 3 no efa nahazoana « habilitation»,

01-avril-2022

dia ny «Hautes études de commerce et Management », « Sciences et technologie», ary ny « Hautes études en philosophie », araka ny fampahafantaran’ny mpitantana tarihin’ny Rektora Pr Naly Rakotoarimanana omaly. Tanjona ny hanome tolotra ara-piofanana tsara kalitao ho an’ny tanora ary mifanindran-dàlana amin’izany ny fotodrafitrasa maoderina sy fomba fampianarana matihaninana. Niditra ny volana desambra 2021 ny mpianatra andiany voalohany miisa 19, izay ao anatin’ny « Mention Hautes études de commerce et management » izay misy ny parcours 3: finance et comptabilité, management, commerce internationale et marketing, ary efa an-dàlana ny « mention » hafa. Eo ny « formation académique » fa mieritreritra ny hanitatra ny sehatra iasana hampiroborobo ny fikarohana sy ny zava-baovao ka hampiditra fanofanana arak’asa (formation professionnelle). Mahatratra 150 ny « module de formation» hatolotra, izay efa heverina ho mahafaobe na « standard » mifandraika amin’ny filàn’ny orinasa, fa misy ihany koa tena tefena araka ny tadiavin’ilay orinasa mihitsy,… Ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitantana orinasa, politisianina dia miainga amin’ny “intuition” izany hoe tsy tena voalanjalanja sy ratsy fototra kanefa tokony ho “rationnel” izany hoe misy fototra ara-tsiantifika, toy ny antontan’isa,… Sahirana, ohatra, ny Fanjakana amin’ny famolavolana ny tetibola ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ka naneho fa manomana fiofanana momba izany ity sekoly ity. Sahirana amin’ny fanapahan-kevitra ny mpanao politika, ka raha tiana ho siantifika ny fomba fitantanana ny mpanara-dia, dia afaka miofana ahitana fahombiazana amin’ny fitarihana. Manaraka ho azy ny haitarika na “leadership” fa misy fototra siantifika tokony arahina, hoy hatrany ny Pr Naly Rakotoarimanana.

Misy endrika avy aty ivelany ho mifandrohy amin’ny finoana silamo ity sekoly ambony ity, saingy naneho ny mpitantana fa tsy mifamatotra amin’ny finoana na « confessionnelle » fa misokatra ho an’ny rehetra.
Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap