tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 27 Janvier 2023

airtel

Fampianarana

Fampianarana ampitain-davitra Hiara-hiasa amin’i Inde i Madagasikara

Tontosa omaly 12 jolay 2022 ny fifaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta Indianina sy ny Fanjakana Malagasy, miompana amin’ny fampianarana ambony.

13-juil-2022

Sample post image

“Ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ny alalan’ny fanofanana ampitain-davitra na ny “télé-enseignement” sy ny “télémédecine” na e-VBAB ” no votoatin’ny soniam-piaraha-miasa izay nosoniavin’ny Minisitra Pr Pr Assoumacou Béatrice sy ny Ambasadaoron’i Inde eto Madagasikara Abhay Koumar. Fanofanana hatrany amin’ny 300 (Fitantanana, informatika, varotra, siantsa, fitsaboana,…) avy amin’ny Oniversite miisa 26 any Inde no ho azon’ny mpianatra Malagasy hositrahana. “Ao anatiny daholo ny resaka fanofanana, miainga hatrany amin’ny taona voalohany hatrany amin’ny “doctorat”, ary ho maimaimpoana tsy handoavam-bola ny fianarana ampitain-davitra. Tsy hisokatra ho an’ny rehetra te hianatra anefa anefafa misy ny fepetra sy ny sivana, ka izay afaka amin’ny sivana no afaka hisitraka izany”, hoy ny Minisitry ny fampianarana ambony. Izay mahavita ny fianarana kosa, dia hisitraka ny diplaoma mazava ho azy. Natao io hitsinjovana ny tanora izay mba te hisitraka traikefa sy fahaiza-manao avy any Inde, kanefa tsy afaka miala eto. Ny tranonkala ilearn.gov.in na eny amin’ny Masoivohon’i Inde no ahazoana ny andinindinin’io. Ankoatra izay, tafiditra tao anatin’ny fifanaovan-tsonia ihany koa ny resaka fikarohana mikasika ny ranomasina. Efa manana ivon-toerana momba izany isika any Nosy Be sy any Atsimo Atsinanana. Manana ihany koa ao anatin’io fifanarahana io ny fomba ahafahana mampiroborobo ny Valanjavaboahary PBZT (Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza) ary efa nisy ny fitsidihana nataon’ny Masoivoho Indianina nijery ny zavatra azo ifanakalozana traikefa, hoy ny minisitra. Efa somary tonga lavitadavitra aza hoe: inona no biby aza hafarana avy any azo hapetraka ao Tsimbazaza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanovana ny rafi-pampianarana Nankatoavin’ny HCC, mbola betsaka ny adihevitra
27-janv-2023

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka nekena ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana

Voir plus