natao taranja manokana ny « entrepreneuriat »
Nampidirina anaty fandaharam-pampianara teknika ny ''Fandraharahana'' sy ny ''Fahaiza-miaina », mba hahafahan'ny tanora ho tena teknisianina tsy ho mpiasan'olona fa hanangana tetikasa aorian'ny fianarany, raha ny fanambin’ny METFP na ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Hampiakarina ny ora natokana ho an’ny taranja siantifika eo amin’ny lisea teknika miainga amin’ny kilasy faharoa, voalohany, ary ny famaranana. Tokony ho voafehiny daholo ny taranja rehetra, indrindra ny siantifika. «Tokony ho ireo olona manana bakalorea teknik a no ampitomboina mba hahamaro ireo injeniera na ireo manana « ingéniorat ». Ireo olona ireo no teknisianina hoavin’ny firenena » hoy ny Minisitra Dr Andriamampandry Todisoa Manampy. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fanofanana ara-teknina (CFP) mba ahafahana manana tanora miatrika asa avy hatrany. Haompana amin’ny karazana orinasa misy eo amin’ny faritra izany. Anisany politikan'ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny fanomezan-danja sy fanomezana sehatra ny tanora, hoy hatrany io Minisitra io. Matoa misafidy ny lisea teknika, dia tokony handroso hianatra amin’ny oniversite, ary ny CFP dia naompana ho afaka miatrika asa sy mamorona asa avy hatrany, hoy ny fanazavany. Izay no nahatonga ny Minisitera nampiditra teo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny Minisitra, mba hampidirina ho taranja iray mihitsy ny « entrepreneuriat » mba hahafahan’ny tanora mianatra dia manana kolontsaim-pandraharahana, afaka hanome asa,… Isan’ny olana hatramin’izay ny hoe : mianatra, dia mandeha manatitra « CV » any amin’ny orinasa, ho lasa mpiasan’olona,… fa mba hanana tetikasa sy afaka mamorona asa mba tena ho tosiky ny toekarena, raha ny nambaran’io Minisitra io.
Toky R