Efa tao anatin’ny 9 volana no tsy nahazo tambin-karama, ka mitaraina sy manao antso avo mba handoavana ny valin-kasasarany. Misy ny ECD navadika ho ELD nanomboka tamin’ny volana mey 2021 mitaraina satria mbola tsy nomena fifanarahana arak’asa, fa vava fotsiny, hoy ny fitarainana. Terana hiasa ireo mpiasa, kanefa ny tambin-karama tsy homena. Rehefa mba manao fitakiana, dia maro no voarahona, ka tsy maintsy miandry ny rariny, efa ela niaretana an-taonany maro ihany koa, ka sarotra ny hoe hiala, ka dia miaritra ny mafy tsy fidiny, hoy ny fitarainana. Hiatrika ny fety amin’izao fotoana izao, saingy sady tsy kitay no tsy vary maina. Miantso vahaolana, miantso fijerena akaiky amin’ny maha olombelona,… ary manomboka efa sahy manao hetsika hanehoana fa efa tsy rariny intsony ny zava-miseho. Miseholany hatrany ny olana eo amin’ny fitantanana ny firenena. Nilaza ny Fanjakana ny volana novambra lasa teo, fa tena manam-bola, ary ny 38% tamin’ny “engagement budgetaire” ho an’ny taona 2021 no mandeha. Tena izay tokoa ve ny marina? Sehatra maro no nisiana olana ara-bola tamin’ity 2021 ity: toy ny orinasa mpanao lalana sy fotodrafitrasa izay voalaza fa manana trosa hatramin’ny 50 miliara Ar amin’ny Fanjakana ka ny 10 amin’ny 300 no voalaza fa voaloa, ny mpandanja fiara nisy fotoana nitaky karama 8 volana tsy voaloa, ny mpiasan’ny CNAPMAD (Centre National de Matériel Didactique) nisy fotoana nitaky ny karama 6 volana, ny eny amin’ny anjerimantolo nisy olana ara-bola ny fandoavana ny ora fanampin’ny mpampianatra mpikaroka,… Eto izany raha tsy grevy tsy fitokonana tsy mahazo ny tambin-karama sy valin-kasasarana? Ara-drariny sy misy fanajana zon’olombelona ve izany olona tsy homena karama 9 volana izany? Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemantantsika izay lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia fonksionera iraisam-pirenena teo anivon’ny OIT (Organisation Internationale de Travail) ary mahalala tsara ny lalàna momba ny asa, saingy io ny zava-misy ankehitriny.
Toky R