nanamarika ny sehatry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa tany Toamasina ny 16-17 jolay 2026. Natolotra tao amin’ny PACT Toamasina ny fanohanana avy amin’ny SPAT (Société du Port Autonome de Toamasina), notarihin’ny Tale Jeneraly RANDRIAMBAHOAKA Heritiana, ho fanarenana ireo ivon-toeram-panofanana voadona mafy Tamin’ny rivodoza Gezani. Tafiditra amin’izany ny DRETFP Atsinanana, ny LTP Toamasina ary ny CFP Toamasina, izay samy nahitana fahasimbana. Nanamafy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa zava-dehibe ny fanamafisana ny 3P (Partenariat Public-Privé) amin’ny fanofanana tanora sy mpiasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny seranan-tsambo. Ny tanjona dia ny hampifanaraka ny fahaiza-manao amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nandritra izany ihany koa no nanolorana ny mari-piofanana ho an’ireo mpiasan’ny SPAT nahavita fiofanana, ho fanamafisana ny loharanon’olombelona sy ny fanavaozana eo amin’ny toeram-piasana. Tao amin’ny ivon-toeram-panofanana Don Bosco Mangarano II kosa, nihaona tamin’ireo tanora sy ankizy mandray fiofanana mandritra ny fialan-tsasatra ny Minisitra sy ny ekipany. Nampahatsiahiviny fa ny fahaiza-manao no fototra lehibe ho an’ny fahaleovantena ara-toekarena: manome fahafahana ny voaofana hiasa amin’ny maha-teknisianina, hamorona asa ho an’ny tenany, na hiditra amin’ireo sehatra matihanina mitaky fahaiza-manao manokana. Tao aorian’ny faritra Diana, dia notanterahina ihany koa ny fanolorana taratasy fifanarahana ho an’ireo mpampianatra « vacataires » noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra ao Atsinanana sy Analanjirofo. Nanolotra izany ny Minisitra notronin’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’i Toamasina sy ireo manampahefana maro. Ity hetsika ity dia tafiditra amin’ny fanoloran-tenan’ny Governemanta amin’ny fampanjakana ny mangarahara sy ny fitantanana tsara, ary indrindra amin’ny fanamafisana ny kalitaon’ny lohara-non’olombelona eo amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa. Ny 17 Jolay 2026 kosa no nitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny LTP (Lycée Technique Professionnel ) Toamasina izay nohavaozina taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Gezani. Nandritra io no nanolorana ireo fitao-vana hanohanana ny fampandehanana ny LTP. Nambaran’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa hitohy hatrany ny asa fanatsarana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ary hojerena akaiky ny fanavaozana ny LTP Vatomandry ho fanitarana ny tolotra fanofanana.
Toky R