ny Ray aman-dReny iray ho an'ny mpianatra iray
Na dia ao anatin'ny fialan-tsasatra lehibe tanteraka aza isika ankehitriny dia tsy afa-misaraka amin'izany ny fanomanana sahady ny fidiran'ny mpianatra ho an'ny Ray aman-dReny. Tsy maintsy efa hirosoana mantsy ny fanoratana anarana ho an'ny mpianatra vaovao raha toraka izany ihany koa ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an'ireo mpianatra efa tranainy mba hanenjehana toerana. 80.000 Ar raha kely no tsy maintsy homanin'ny Ray aman-dReny ho an'ny mpianatra iray ho an'ny sekoly tsy miankina iray tsotra, raha araka ny fanadihadiana natao. Ankoatra ny saram-pianarana sy ny fitaovana io. Manomboka eo amin'ny 150.000 Ar kosa izany ka hatramin'ny 250.000 Ar ho an'ireo sekoly tsy miankina mampiasa ny teny Frantsay. Mbola tsy ao anatin''izany ihany koa ny saram-pianarana volana Septambra ho an'ireto farany. 200.000 Ar isaky ny ankizy eo no tsy maintsy homanina miaraka amin'ny kitapokely raha sekoly tsy miankina tsotra ho hianaran'ilay zaza. Tafakatra avo roa heny kosa ny fandaniana raha sekoly tsy miankina mampiasa ny teny Frantsay no nosafidian'ny Ray aman-dReny. Hatreto mantsy dia tsy vitsy amin'ireo sekoly no tsy manaiky raha tsy mitovy avokoa ny mariky ny fitaovana hampiasain'ny mpianatra isan-kilasy ao aminy indrindra fa ireo mbola katitakely. Tsy sangisangy fa tena mafy ny fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra isan-taona.
Pati
Légende : Mbola tsy fantatra ihany koa ny mety ho fiakaran'ny vidin'ny fitaovam-pianarana atsy ho atsy !