airtel

Fampianarana

14-janv-2026

Fampiofanana ho

amin’ny angovo maharitra

Sample post image

Nahazo fitaovana mitentina 2,4 tapitrisa euros ny IST Antananarivo

14-janv-2026

Tafapetraka eny amin’ny Sekoly ambony momba ny teknolojia na ny IST Antananarivo ny fitaovana ara-teknolojika hoentina manofana ny tanora amin’ny tontolon’ny angovo, miteti-bidy 2,4 tapitrisa euros, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Sampan-draharaha Frantsay momba ny fampandrosoana ny AFD. Fitaovana ho an’ny fampianarana sy fikarohana avy amin’ny tetikasa PeA2/TRANGA na « Renforcement de capacité pour la transition et l’audit énergétique à Madagascar », hanatanterahana ny fiofanana asa ao anatin’ny tetikasa TAFA. Tetikasa sy vokatra avy amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny IST Antananarivo, ny Université Bretagne Sud (UBS) ary ny Université de La Réunion (UR). Ireo injeniera hivoaka avy amin’ity fiofanana ity dia efa voaomana tanteraka hiditra amin’ny sehatry ny asa, ary hanampy mivantana amin’ny fampandrosoana sy ny fanodinana ny sehatry ny famokarana angovo eto Madagasikara. Isan’ny hita ao anatin’izy io ohatra ny « Générateurs d’eau atmosphérique » izay mamadika ny entona amin’ny rivotra ho lasa rano fitsotro. Afaka mamokatra rano 30L isan’andro eo arakaraka ny haben’ny fitaovana. Ankoatra izay ny angovo amin’ny herin’ny Masoandro. Nanamafy Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-V fa ny fiofanana mikendry ny famokarana angovo maharitra no iray amin’ireo laharam-pahamehana lehibe amin’ny politika ara-tsiansa sy ara-pampianarana eto Madagasikara. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ambasadaoro Frantsay GUILLOIS Arnaud, ka nandritra izany ihany koa no nanolorana mari-pahaizana « Licence » ho an’ireo mpianatra, ary « Attestation » ho an’ireo mpampianatra nandray anjara tamin’ny fiofanana tao anatin’ny tetikasa TRANGA.
Toky R

 

Dans la même rubrique