airtel

Fampianarana

25-oct-2023

Fampivoarana ny vehivavy ho amin’ny fampandrosoana

Hovelabelarina etsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny

Sample post image

Ny zoma 27 oktobra izao, etsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy,

25-oct-2023

manomboka amin’ny 8 ora sasany maraina no ho velabelarina amin’ny alalan’ny kaonferansa lehibe ny mikasika ny atao hoe “Fampivoarana ny vehivavy ho amin’ny fampandrosoana”. Ry zareo eo anivon’ny Soroptimist international, club Antananarivo Mandrosoa, moa no tompon’antoka amin’izany, noho ny fahatsapana ny fahamarinan’ilay tenin’ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina fahiny hoe “Tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao.”. Ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra, no hitondra fanazavana mikasika ny hoe “Ny vehivavy malagasy sy ny fivoaram-piainany” ao anatin’izy ity. Ny pasitera Veromalala Andriamose kosa no ampahafantatra ny hoe “Ny endriky ny fampandrosoana ny vehivavy ataon’ny fiangonana”. Ny mpanoratra, Michel Rakotoson, koa hiresaka ny hoe “Ny vehivavy mahatohitra ny onjam-piainana”. Ho avy hitondra ny famelabelaran-keviny mikasika ny hoe “Finiavana sy fikirizan’ny vehivavy mitondra fiovam-piainana”, etsy ankilan’izay ny mpikaroka momba ny miralenta, Landy Miary Andrianaivosoa, ary ny filohan’ny Menengage, Riana Ndrialisoa, hamakafaka ny hoe “Vehivavy malagasy sy lehilahy malagasy miara-mandroso”, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique