airtel

Fampianarana

06-oct-2022

Fampianarana

Fanabeazana eto Madagasikara “Mbola tsy tratrantsika ny kalitao nekentsika”

Sample post image

Amin’izao andro natokana ho an’ny mpampianatra sy mpanabe sy izay rehetra misehatra ao anatin’izany tontolo rehetra izany izao dia miarahaba antsika rehetra ny CONAMEPT

06-oct-2022

na fivondronam-pirenena malagasy ho an’ny fanabeazana ho an’ny rehetra, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Huguette Rakotoarivony. Nambaranay tamin’ny herintaona fa ny mpampianatra no ao anatin’ny fon’ny fanentanana ny fanabeazana, hoy ny CONAMEPT tetsy amin’ny biraony etsy Antsakaviro omaly. Mipetraka kosa amin’ity taona ity fa fo mampitempo ny fanabeazana ny mpanabe. Miankina amin-javatra maro ny mahatonga ny fihemoran’ny fanabeazana. Eo aloha ilay hoe tsy mahazo fampiofanana ny mpampianatra. Miankina amin’ny fanabeazana tokony omen any ray aman-dreny koa anefa hoe tokony hifanohana ao anatin’ny fanabeazana ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Tsy vitan’ny mpampianatra irery io. Eo koa ny fanabeazana omena ireo mpiara-miombon’antoka. Voalohany amin’izany ny fanjakana. Efa maro ny sosokevitra. Tamin’ny 2016 izahay no efa nijery ny fomba hoe ahoana no hanatsarana ity fanabeazana ity? Niara-niasa tamin’ireo sendikan’ny mpampianatra rehetra manerana an’I Madagasikara. Namokatra ilay atao hoe “cahier de doléance” na kahiem-pitarainana. Fitarainana 20 no ao. Raha ireo no raisina an-tanana araka ny sehatra maha maika azy dia miroso mankany amin’ny fanatsarana tanteraka ny fanabeazana isika. Tsy vita herintaona izany aty Afrika sobsaharianina. Ny drafitra isan-tsehatra na “plan sectoriel” antsika izao dia narafitra ny taona 2013, 2014, 2015, 2016. 2017-2018 no nampiharina. 2022 isika izao mbola eo an-dalam-pirosoana amin’ny fanatsarana. Tsy mbola tratrantsika ny kalitao nekentsika. Raha ny fifanekena tany Bruxelles ny taona 2015 dia nanasonia ny tetiandro ho an’ny fanabeazana 2030 isika. Mbola manana 8 taona I Madagasikara saingy tsy izay loatra no andeha hiazakazahana fa ilay fomba hanatrarana ilay kalitao. Miisa 3 no voavaly tamin’ireo fitarainana miisa 20 ny taona 2017 sy 2018, hoy hatrany ny CONAMEPT.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap