airtel

Fampianarana

24-nov-2021

Fampianarana

Fanabeazana mampiaty Omena fiofanana ireo mpampianatra

Sample post image

Fanabeazana tsy manavaka na manilika na iza na iza ny fanabeazana mampiaty. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo zanaky ny sahirana.

24-nov-2021

 Ho antsika eto Madagasikara raha araka ny tafa nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny UNICEF tamin’ny mpanao gazety omaly dia efa hita taratra manomboka any amin’ny EPP izany. Toraka izany koa ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha izay fantatra fa mandray ankizy manana fahasembanana hafa ihany koa hahafahana manatanteraka ilay fanabeazana mampiray sy manome lanja ny fahasamihafana. Tsy ho diso anjara amin’ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty isika eto Madagasikara araka izany. Ny 26 novambra ho avy izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny zaridain’Antaninarenina ka ankoatra ny fampirantiana ireo karazana asa tanana vitan’ireo olona manana fahasembanana dia hisy ihany koa ireo karazana fanentanana maro isan-tsokajiny. Ny fitaovana hampiasain’ireo olona manana moa no tena olana eto Madagasikara noho ny halafosany koa hanaovan’ireo tompon’andraikitra antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mba hanolo tanana azy ireny.
Pati
Legende : Tetsy Mahamasina omaly
 

Dans la même rubrique