airtel

Fampianarana

16-févr-2024

FANADINAM-PANJAKANA BAKALOREA

Efa misokatra ny fisoratana anarana

Sample post image

Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea

16-févr-2024

taom-pianarana 2023-2024 raha araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika. Nanomboka ny Talata 13 Febroary lasa teo izany ho an’ireo vonona hiatrika ny fanadinana izay efa hita taratra eny anivon’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana sahady. Hifarana ny Zoma 16 Aprily kosa izany, antony hikarakaran’ny tanora mpianatra ny antontan-taratasy rehetra ilaina dieny izao mba tsy ho tara fotoana. Rah any tombatombana moa dia mety hihena ny salan’isan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’ity taona 2024 ity. Noho ny fihenan’ireo mpianatra miditra an-tsekoly vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny no antony mahatonga izany. Ho tanterahina ny 22 hatramin'ny 26 Jolay 2024 ho avy izao moa ny fanadinam-panjakana bakalorea ankapobeny sy teknika andiany voalohany raha ny 29 hatramin'ny 01 Aogositra 2024 kosa ny andiany faharoa. Pati
Legende : Mihena ireo mpianatra miditra an-tsekoly vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny !
 

Dans la même rubrique