Ho foana tanteraka ny Option B amin’ny fanadinana BEPC manomboka amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Midika izany fa tsy hisy intsony ny safidy eo amin’ny “langues et sciences humaines” sy “mathématiques et sciences”. Ny anglisy dia lasa taranja tsy maintsy atao ho an’ny mpianatra rehetra, ary taranja vaovao roa no nampidirina: ny Arts sy ny Fanabeazana ho Olompirenena Vanona (FOV). Raha ny fampahatsiahivana mikasika ny antontan’isa, 327 815 ny kandidà nisoratra anarana, ka 174 760 nisafidy ny Option A, raha 153 055 kosa nisafidy ny Option B. Ho an’ny kilasy fahatelo na 3ème, misy taranja 10 tsy maintsy ianarana: Malagasy, Frantsay, Anglisy, Matematika, Fizika, SVT, Tantara sy Jeografia, Arts, FOV ary EPS. Ny Arts dia ahitana sehatra efatra: sary, mozika, dihy ary tantara an-tsehatra. Ny FOV kosa dia mikendry ny hanabe sy hampiofana ny mpianatra ho olompirenena tompon’andraikitra, amin’ny alalan’ny lohahevitra toy ny fahatsiarovan-tena sy fifandraisana, zo sy adidy, fitiavan-tanindrazana ary fanabeazana ara-tsosialy sy ara-bola. Navoitra fa mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana, hampivelatra ny fifandraisana, ny saina mitsikera sy mamorona, ny fahaleovan-tena ary ny fahaizana mamaha olana amin’ny fiainana andavanandro ity fanavaozana ity. Tsy hijanona amin’ny kilasy intsony ny fianarana fa hanitatra amin’ny asa tanana, fitsidihana pedagogika ary mini-projets na karazana famoronana tetikasa madinika. Tsara ihany koa moa ny manamarika, fa mikasa hanafoana ny Sokajy A, C, D ka hitazona ny sokajy L, S, OSE manamboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny Fanjakana, saingy mbola misy adihevitra samihafa indrindra fa eo amin’ireo sekoly tsy miankina.
Toky R