Ny taranja Matematika sy Histo-geo no fantatra fa tena atahoran'ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manomboka anio Alatsinainy 06 Jona. Ho an'ny taranja Matematika manokana dia fantatra fa noho izy ity mifampitohy no tena atahoran'ny ankizy ka raha vantany vao diso ny any am-piandohana dia ho diso hatrany amin'ny farany izany, izany hoe : ilana fitandremana be. Ho an'ny taranja Histo geo indray dia noho ity farany maro loatra ny lesona nianarana ka tsy fantatra intsony izay hivoaka any. Manodidina ny 20 isa eo ho eo ireo karazana lesona tsy maintsy nianarana sy nofolahana nandritra ny taona ho an'ity taranja iray ity fotsiny ka ho an'ireo tsy nanao famintinana na fisy dia tena sahirana tokoa. Tsiahivina moa fa ny taranja Malagasy sy ny SVT no hisantaran'ny mpiadina ny fanadinana anio. Hitohy amin'ny Matematika sy ny Français izany rahampitso Talata, ny Histo geo sy fizika afaka rahampitso ary ny taranja Anglais na Allemand no hamaranana azy amin'ny Alakamisy ho avy izao. Tsiahivina moa fa miisa 327.815 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny Nosy. Ny 24.975 amin'ireo no avy eto an-drenivohitra hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 1.101.
Pati
Légende : Na izany aza efa vonona tanteraka ireo mpiadina !