airtel

Fampianarana

27-avril-2022

Fampianarana

Fanadinam-Panjakana CEPE Ny kajy no mbola tena olan’ireo mpiadina

Sample post image

Amin’ny 21 Jona ho avy izao no hotanterahina ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy. Roa volana sisa izany raha andro no isaina, fotoana efa fanaovana famerenana tanteraka ho an’ireo taranja mbola tsy hain’ny mpianatra.

27-avril-2022

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly iray dia ny taranja kajy sy ny lazaolana no mbola tena olan’ireo mpianatra hatreto. Mbola tsy hahazoan’ny antsasa-manilan’ny mpiadina moyenne io raha araka ny fanadihadiana natao hatrany ka tsy maintsy hanokanan’ny mpampianatra fotoana manokana mihitsy. Tsy olana intsony kosa ny resaka lesona hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity fa efa diso lanin’ny mpianatra loatra aza. Tsy maintsy handefasana devoara iray isan’andro ho an’ny mpiadina ao amin’ny taona fahadimy araka izany ny taranja kajy sy ny laza olana. Marihina moa fa ankoatra ny taranja kajy dia olana ho an’ireo mpiadina sasany ihany koa ny taranja frantsay indrindra fa ho an’ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana. Ny fetin’ny Pentekosta sisa araka izany no hatrehin’ireo mpianatra amin’ity taom-pianarana 2022 ity dia hiditra avy hatrany ao anatin’ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinam-panjakana CEPE ireo voakasika izay samy mialohan’ny fetim-pirenena 26 Jona avokoa.
Pati
Legende : Olan’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rehetra ny taranja kajy !
 

 

Dans la même rubrique