airtel

Fampianarana

04-juin-2021

Fampianarana

Fanadinam-panjakana Nitombo 3% ireo mpiadina hiatrika ny CEPE

Sample post image

Nitombo 3% izany raha oharina tamin’ny taom-pianarana lasa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona ity.

04-juin-2021

 

  Miisa 27. 770 ireo avy amin’ny sekolim-panjakana raha 11 320 ireo avy amin’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy izay mitontaly 546. 365 isa . Tsy nitsahatra nanentana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra araka izany ny Tale misahana ny Fanadinana sy ny Fanamarihana amin’ny fanaraha-mason’ny fanomanana ny fanadinana no sady manentana ireo mpianatra ihany koa mba hilofo hatrany amin’ny fianarana. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity moa fa « tsy misy ahiana ny fiarovana ireo laza adina hantonta. Efa misy mantsy hoy izy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Minisiteran’ny Fiarovam-Pirenena » . Tsy miova ihany koa ny datim-panadinana. Ho an’ny CEPE ohatra dia amin’ny talata 06 jolay no hanatanterahana izany rah any 19 ka hatramin’ny 22 ny volana jolay ho avy izao kosa no hanatanterahana ny BEPC.

Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap