airtel

Fampianarana

16-juil-2026

Fanadinam-panjakana

Voafonja 16 hiatrika bakalorea

Sample post image

Miisa 16 ireo voafonja hanala

16-juil-2026

fanadinana Bakalorea manerana an’i Madagasikara amin'ity taona ity, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Ny 10 no hiatrika izany ao amin'ny faritra Vakinankaratra, izay manana ny antontan'isa be indrindra raha oharina amin'ireo faritra hafa, hoy ny fanazavàna. Manana mpiadina 2 kosa ny faritra Atsinanana, izay vehivavy avokoa. Ankoatra izay, samy manana mpiadina 1 avy ny faritra Analamanga, Fitovinany, Atsimo Andrefana ary Atsimo Atsinanana. Entina mamonjy ny foibem-panadinany avy izy ireo ary arahina mpiambina. Ho tanterahina ny 20 hatramin'ny 24 jolay hoavy izao ny bakalorea ankapobeny ary ny 27 hatramin'ny 30 jolay kosa ny bakalorea teknika. Miisa 233.538 ireo mpiadina voasoratra anarana amin'izany, raha ny fanazavàna voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap