airtel

Fampianarana

23-avril-2024

FANADINANA ANDRANA CEPE

Ny 24 May ho avy izao ny andiany voalohany

Sample post image

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

23-avril-2024

ho an’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manana mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ny volana Jona ho avy io. Efa ao anatin’ny famerenana tanteraka ireo sekoly isan-tsokajiny amin’izao raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray. Ny datin’ny 24 May ho avy izao mantsy no hotanterahina ny fanadinana CEPE andrana andiany voalohany raha amin’ny fiandohan’ny volana Jona ny andrana andiany faharoa mialohan’ny hiatrehana ny fanadinana tena izy. Ireo mpampianatra ihany no namorona ny laza adina raha araka ny fantatra ary natao an-kitsapaka izany. Efa vita avokoa ireo laza adina ireo ankehitriny izay mitohy firafitra amin’ny laza adina CEPE mihitsy. Ny talen-tsekoly no niandraikitra ny fandefasana ny lisitr’ireo mpianany eny anivon’ny ZAP ka ireto farany no manome ny laza adina amin’ny fotoana tokony hanaovana ny fanadinana. Mbola ny talen-tsekoly ihany koa no manatitra ny vokatra eny amin’ny ZAP aorian’izany.
Pati
Legende : Kely sisa dia hiatrika ny fanadinana CEPE tena izy ireto kilonga madinika ireto !

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Mangotraka ny toe-draharaha eny amin’ny Anjerimanontolom-panjakana

Card image cap
02-mai-2024

Nangotraka indray ny grevin’ny mpianatry ny Sekoly ambony Politiknika Vontovorona ny talata 30 aprily

Card image cap