airtel

Fampianarana

05-mai-2022

Fampianarana

Fanadinana andrana CEPE Ny kajy sy ny frantsay no olan’ireo mpiadina

Tontosa soa aman-tsara afak’omaly Talata ny fanadinana andrana CEPE ho an’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

05-mai-2022

Niroso tamin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ireo mpampianatra omaly Alarobia ka fantatra nandritra izany fa ny kajy sy ny frantsay no mbola tena olan’ireo mpiadina. Misy mahazo naoty hatrany amin’ny 05 amin’ny 20 mihitsy ireo mpiadina ho an’ny laza olana raha araka ny fanazavan’ny mpampianatra iray, tranga maromaro hita tamina sekoly tsy miankina iray. Ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana kosa no tena manana olana amin’ny taranja frantsay izay tsy nahazo moyenne ny betsaka. Ezaka mbola hataon’ireo sekoly marobe eto amintsika araka izany ny hamolahana ny mpiadina amin’ny taranja kajy sy ny laza olana ary ny frantsay. Mbola manana roa volana latsaka rahateo izy ireo hahafahana manarina izany. Tsy manana olana amin’ny resaka lesona kosa ireo mpiadina raha araka ny fantatra hatrany fa saika nahafehy izany avokoa. Amin’ny 17 Jona ho avy izao sy amin’ny 31 Jona kosa no hanatanterahana ny fanadinana CEPE andrana manaraka ho an’ireo sekoly sasany.
Pati
Legende : Vonona hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina !

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap