airtel

Fampianarana

10-août-2021

Fampianarana

Fanadinana bakalorea Miisa 6 ireo marenina miatrika izany

Sample post image

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 09 aogositra manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana Bakalorea ankapobeny sy teknika .

10-août-2021

Miisa 6 mianadahy ireo tanora marenina niatrika izany ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha ka 20 taona no zandriny indrindra raha 23 taona no zokiny indrindra. Ny taranja literera toy ny tantara, ny Malagasy amin’ny ankapobeny no tena mampanahy ireo mpiadina raha saika angadin’izy ireo kosa ny taranja siantifika. Na izany aza mbola misy ihany ireo manahy kely ny amin’ny mety ho endriky ny taranja kajy. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1950 no nanomboka nampianatra ireo ankizy manana olana ara-pihainoana ny AKAMA na ny Akanin’ny Marenina. Nanomboka ny taona 2006 kosa izy ireo no nampanala ny fanadinam-panjakana bakalorea voalohany ary mitohy mandraka ankehitriny izany. Miisa 18 kosa ireo mpiadina nanala ny fanadim-panjakana BEPC ho azy ireo tamin’ity taona ity ka afaka soa aman-tsara avokoa.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap