airtel

Fampianarana

19-juil-2022

Fampianarana

Fanadinana bakalorea Nampitaraina ny mpiadina sasany ny taranja filozofia

Sample post image

Notanterahina omaly ny andro voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea ankapobeny manerana ny Nosy.

19-juil-2022

Ny taranja filozofia no nisantarana izany izay nambaran’ireo mpiadina sasany fa efa somary nanahirana sahady. Nety tamin’ny sasany kosa anefa izany, fomba fijery izay samy nanana ny fahitany azy avokoa. Anisan’ny nanadinana ny mpiadina nandritra izany ho an’ny sokajy A ny hoe : misy toerana eo amin’ny fahatongavan-tsaina ve ny fanaovana politika ? sy ny hoe : Ny miteny ve dia midoika hoe : tsia. Itsy voalohany no tena be mpisafidy indrindra fa ho an’ireo tanora mpianatra manam-paniriana ny hanao politika. Santionany amin’izany ity zazavavy iray tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Caella, sokajy A : Ny ahy ilay laza adina voalohany no nosafidiako. Tena nety tamiko ilay izy sady mba azo nihafiana. Toraka izany koa ny taranja anglisy natrehina omaly hariva.
SARY
TSY HOE VAOVAO BE
Raha fehezina dia efa saika hitahita tany am-pianarana avokoa ny endrik’ilay laza adina na dia tsy tena mitovy tanteraka aza Ho an’ny foibem-panadinanana etsy amin’ny lisea moderna Ampefiloha manokana moa dia fantatra fa nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinam-panjakana Bakalorea andro voalohany omaly. Tonga avokoa ny mpiadina rehetra 1607, mitsinjarana amina efitranom-panadinana miisa 65.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap