airtel

Fampianarana

04-juil-2022

Fampianarana

Fanadinana BEPC Misy miezaka manakorontana ?

Sample post image

Manomboka amin’ny fomba ofisialy anio alatsinainy 04 jolay 2022 ny fanadinam-panjakana BEPC (Brevet d’Etude du Premier Cycle) eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

04-juil-2022

Miisa 315514 ny mpiadina manerana ny Nosy, miparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 1072 ahitana efitra 9833. Ny 32 amin’ny mpiadina no manana fahasembanana, ary miisa 6 kosa ireo teratany vahiny. Miisa 26 307 ny mpiadina voasoratra anarana izay miparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 35 ho an’ny eto Antananarivo manokana. Nahitaha fihenana io isa raha oharina ny tamin'ny taona 2021. Miisa 26 985 ny isan'ny mpiadina tamin'ny taon-dasa. 24 ora mialohan’ny fiatrehan’ny mpiadina ity fanadinam-panjakana ity, betsaka ny zavatra mampiahiahy mikasika ny mety ho fipariahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ny hafatra samihafa mivarotra ankolaka laza adina na “sujet” lazainy fa laza “Sujet BEPC 2022” miaraka amin’ny fanintsiana na “corrigé”. Isan’ny nalaza teny Antananarivo Avaradrano, ohatra, ny fisian’ny ankizy nifandrombaka nanao dika mitovy izany, raha ny resaka niely. Tsy afaka hanamarina na handiso izany isika, fa ny fanadihadiana sy ny fandraisana andraikitra haingan’ny manampahefana ny manamarina na mandiso izany. Ny soratra eo amin’ireo laza adina lazaina fa ho an’ny BEPC manomboka anio io kosa aloha dia misy tokoa ny soratra fa 2022 tokoa izany, tahaka ny taranja Malagasy. Fanakorontanana saim-bahoaka sy sain’ny mpiadina ve sa tena nisy laza adina niparitaka nialohan’ny fotoana tokoa? Avy aiza ny tsirambina raha tena izany tokoa? Inona no andraikitra sy fepetra raisin’ny fanjakana? Tsara ny manamarika fa mihiboka 30 andro ireo mpanomana ny laza adina BEPC mba hisorohana amin’ny tahaka izao. Mila fanadihadiana!

Toky R


 

Dans la même rubrique