airtel

Fampianarana

06-juil-2021

Fampianarana

Fanadinana CEPE 546 365 ireo mpiadina manerana ny nosy

Sample post image

Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny tale misahana ny fanadinana sy fanamarinana Atoa Andrianarison Tinaina Edinah mikasika ny fanadinam-panjakana CEPE tanterahina androany.

06-juil-2021

 Nambarany tamin’izany fa miisa 546. 365 ny mpiadina manerana an’i Madagasikara hiatrika izany izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 1.956 raha toa ka miisa 17.747 ny efitranom-panadinana izany hoe : niakatra 3% ny tahan’ny fitomboan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny herin-taona. Amin’ireo mpiadina miisa 546 365 ireo dia miisa fito amby folo (17) ny tsy mahita, enina (06) no tsy dia mahita tsara,valo amby efapolo (48 ) ny marenina,fito (07) ny sembana ara-batana raha toa ka iray (01) ny sembana ara-tsaina. 46 taona taona no zokiny indrindra amin’ity fanadinana ity izay tsara ny manamarika fa mpiadina vehivavy avy any amin’ny Fari-Piadidiam-Pampianarana (CISCO) Fianarantsoa .Nohamafisiny fa « mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny fanatanterahana an’ity fanadinana ity, noho izany dia misy ny « note de service » entina hanomezana ny fepetra sy toromarika ny rehetra ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any anatin’ireny foibem-panadinana ireny sy ny Fari-Piadidim-Pampianarana (CISCO) ary ny ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) mba ahafahana manaja ny elanelana sy ny fanasan-tànana ary ny arovava-orona mandritra ity tontolo andro ity. Nohamarihiny fa « tsy tokony hisy ny mpiadina izay tsy hahazo fiantsona noho ny tsy fandoavana ny saram-pianarana izay mateti-pitranga tokoa any amin’ireny sekoly tsy miankina ireny ».
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap