airtel

Fampianarana

25-avril-2022

Fampianarana

Fanadinana CEPE - Antananarivo Nihena 7,43% ny tahan’ny fisoratana anarana

Sample post image

Nihena 7,43% ny tahan’ny fisoratana anarana amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra raha araka ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.

25-avril-2022

Raha nahatratra 30. 325 isa mantsy ireo nisoratra anarana tamin’ny taon-dasa dia nihena ho 28 069 izany tamin'ity taona 2022 ity. Nihena hoy 7,43% araka izany ny isan'ny mpiadina. Tsara ny manamarika fa efa manomboka miroso tsikelikely amin'ny fanadinana andrana ireo sekoly sasany ankehitriny indrindra fa ireo tsy miankina. Tsy miova kosa ny tetiamdro hanatanterana ny fanadinana raha araka ny vaovao hatrany fa mijanona amin’ny datin’ny 21 Jona ho avy izao. Noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny no mampihena ny isan’ireo mpiadina indrindra fa amin’ny resaka sakafo sy fitaovana ho an’ireo mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana toy ny EPP.
Pati
Legende : Nihena ny isan’ireo mpiadina hiatrika CEPE eto Antananarivo
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap