airtel

Fampianarana

31-mars-2022

Fampianarana

FANADINANA CEPE SY BEPC Itakiana 10.000 Ar ireo mpiadina any Tsiroanomandidy

Sample post image

Miakatra hatrany ny vola alaina amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika.

31-mars-2022

Raha teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no naharenesana fitarainana voalohany mifandraika amin’izany herinandro maromaro lasa izay dia tonga hatrany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ity fitakiana vola amin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ity. Tafakatra hatrany amin’ny 10.000 Ar isaky ny mpianatra izany any an-toerana raha 1500 Ar teny amin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny. Mahatsiaro ho sorena noho izany ny fivondronan’ireo sekoly tsy miankina koa manao antso avo amin’ny fanjakana. Ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ihany mantsy no terena hizaka ny fandaniana hatao mandritra ny fanadinam-panjakana raha tokony ho anjaran’ny fanjakana izany. Anisan’ireny ny fitaterana ny taratasim-panadinana mankany amin’ny toerana tokony hitsarana izany, antony ilana io vola io. Na izany aza hatreto dia mbola tsy nisy ny filazana ofisialy nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mikasika ity vola tsy maintsy alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ity.
Pati
Legende Ny zanany hiatrika fanadinana no tsy maintsy hiaretan’ny Ray aman-dReny izany ! 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap