airtel

Fampianarana

08-oct-2021

Fampianarana

Fanampiana ny orinasa Miara-miasa ny IT University sy FTHM Consulting

Sample post image

Foto-pisainana iray no isan’ny nampivondrona ny IT University sy ny kabinetra FTHM Consulting ka nahatonga azy ireo hifandray tanana hiara-hiasa hampiroborobo ny firenena ary hisintona ireo mpandraharaha na avy eto an-toerana, indrindra,

08-oct-2021

 fa ireo avy any ivelany ho tonga eto Madagasikara. Mba hahatongavan’izy ireo eto nefa dia tokony efa manana olona tsara hofana isika handray azy ireo sy hanome ny tolotra izay takiany. Antony nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta omaly io. Nisy, noho izany, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny rektoran’ny IT University, Robinson Olivier sy ny “associé-gérant” na fiaraha-mitantana an’ny kabinetra FTHM Consulting, Thierry Rajaona, teny amin’ny IT University Andoharanofotsy, omaly. Ny IT University moa dia manomana mpianatra ho teknisiana ary manana vina ho anisan’ny lehibe eo amin’ny resaka teknolojia vaovao sy ny fifandraisan-davitra, raha ny fampahatsiahivana natao hatrany. Zava-dehibe izao fiaraha-miasa izao, hoy ny nambaran’ny rektoran’ny IT University. Tanjona ny hanampy ireo orinasa eto Madagasikara amin’ny fahafahana mampiasa olona tekinisiana sy matihanina satria hananantsika tokoa raha ny tanora sy ny traikefa. Raha 60 no isan’ny mpianatra tany am- piandohana dia efa manakaiky ny 900 izy izao. mandroso tsikelikely ny fidiran’ny tanora vehivavy eo amin’ sehatry ny informatika. Tamin’ity taona ity dia tafakatra 30% ny vehivavy raha niainga teo amin’ny 10% izany, tany am-boalohany. Nanomboka tamin’ity taona ity dia nisy ihany koa ny “section design”, izay anisan’ny nangatahin’ny orinasa maro, satria ilaina ao anatin’ny sehatry ny serasera na “communication” amin’ny fanamboarana “site web, packaging” sy famarotana ireo vokatra. Efa hatrany amin’ny taona 1994 kosa no niforona ny kabinetra FTHM. Manome tolo-kevitra, manohana sy manaraka ireo tetikasa fampandrosoana eny anivon’ireo orinasa madinika na goavana no antom-pisiany fa efa mivelatra be ihany koa ireo tolotra, mifanaraka amin’ny tadiavin’ireo orinasa na mpandraharaha tsirairay, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-avril-2024

Nahazo fanentanana avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE)

Card image cap
12-avril-2024

Hihaona eny amin’ny Espace rose By Pass ireo mpianatra nitety vanim-potoana teo anivon’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra.

Card image cap