airtel

Fampianarana

24-juin-2022

Fampianarana

Fanatsarana ny fampianarana ambony Hitodika kokoa amin’ny tsenan’asa ny FSPI

Sample post image

Voasonia omaly alakamisy 23 jona 2022 teny amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eny Fiadanana ny tetikasa FSPI (Fonds de solidarité pour l’innovation),

24-juin-2022

fiaraha-miasa momba ny fampianarana ambony iarahan’i Madagasikara sy Frantsa. Vinavinaina haharitra roa taona eo ny tetikasa, izay hisy famatsiam-bola hatrany amin’ny 581 400euros. Niara-nanasonia izany ny Minisitry ny fampianarana ambony Rtoa Assoumacou Elia Béatrice sy Ambasadaoro Frantsay Christophe Bouchar. Efa tao anatin’ny atrik’asan’ny SCAC (Service de Coopération et d’Action Culturelle) ny FSPI, ka tanjona ao anatin’izany ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara, miainga amin’ny mpampianatra, ary hisy vokatra mivaingana amin’ny mpianatra. Tanjona ny hampiakatra ny kalitaon’ny mpampianatra sy ny fampianarana, mba hahazo vokatra haingana mipaka amin’ny fampandrosoana. Fanomezana fiofanana ho an’ny mpampianatra mba hifantoka bebe kokoa amin’ny vokatra sy fahatsaram-bokatra amin’ny fampiofanana mifandrohy amin’ny sehatry ny asa ho an’ny mpianatra, hanamora ny fahitana asa, mba ho afaka hiahy tena sy ho afaka hamorona asa ho an’ny tena. Hisitraka izany ireo oniversite manerana ny Nosy arakaraka ny toromarika miainga amin’ny Filohan’ny Oniversite momba ny filàna any amin’ny faritra misy azy avy, ka arakaraka izay zava-misy izay no handaminana ny fampiofanana. Hifantoka betsaka amin’ny antsoina hoe “employabilité”, mba hitodihan’ny fampianarana hifandraika araka izay tratra amin’ny filàn’ny toekarena Malagasy amin’ny arak’asa, arakaraka ny faritra sy toerana misy ny oniversite, mba hananan’ny mpianatra fahaiza-manao feno sy asa mahomby.
Toky R
Légende: Ny Minisitry ny fampianarana ambony Assomacou Elia Béatrice sy ny Ambasadaoro Frantsay Christophe Bouchar
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap